Nikorontana ambony ambany ny fasana. Niparitaka ny lambamena ary torak’izany ihany koa ny taolam-balo maro. Fasana iray no nisy namaky tao Ambohipihaonana, ao amin’ny fokontany Ihazolava. Ny harivan’ny talata lasa teo no nisy nahita nisokatra fotsiny ny fasana kanefa ny andro efa hariva ary tsy nisy olona mihitsy teo amin’ny manodidina. Io no niakatra tao an-tanàna ka nampandre ny fokontany, izay niantso ny mpitandro ny filaminana nony avy eo mba hijery ifotony ny zava-nitranga. Vao tonga teny an-toerana ireo dia hita tokoa fa nisy namaky ny fasana. Rehefa nojerena ny tao anatiny ka nisaina ny razana dia fantatra fa sivy tamin’ireo 31 no nisy naka tao. Heverina ho razana efa maina ireo ka izay no nahatonga ireo olon-dratsy naka ny taolam-balony. Ny ambiny kosa, rehefa nopotehin’ny olon-dratsy ny lamba ka hitany fa mbola tsy maina ny razana tao anatiny, dia navelany fotsiny niparitaka teo. Nisy ny fanadihadiana nosokafana saingy efa fantatra fa tsy ho tonga lavitra izany. Efa hatramin’ny taona fitopolo no nisy ny halatra taolam-paty teto amin’ny nosy ary hatramin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia tsy mbola fantatra mazava izay tena ao ambadiny sy izay hanaovana ny taolana. Vokatry ny fanadihadiana tsy nahitam-bokany, satria tsy lasa lavitra, dia lasa miaina amin’ny honohono sisa ny olona. Ao no milaza fa ilaina amin’ny fanamboarana akora mahatsara tarehy izy ireny. Ao koa no manambara fa entina hanafenana volamena mba tsy ho hitan’ny fitaovana fitarafana rehefa eny amin’ny seranana. Ny sasany indray dia hoe hanaovana fombafomba. Tsy nisy afaka nanamarina mihitsy izany rehetra izany hatramin’izao. Ny fasana indray, izay isan’ny mafy indrindra ny famahana azy, dia tsy mitsahatra mirongatra ny famakiana azy ireny. Ny razana anefa dia isan’ny manan-danja eo amin’ny Malagasy ary tena saro-pady aminy ny faniratsiràna an’izany. Asa, hiandry ny vazaha koa angamba hanao fanadihadiana vao ho fantatra ny tena tsiambaratelon’ity vaky fasana etsy sy eroa ity…
D.R