- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpanendaka anaty taxi-be voasambotry ny polisy

Anosy : Mpanendaka anaty taxi-be voasambotry ny polisy

Bandy roalahy antsoina hoe Fabrice sy Sylvain no tra-tehaky ny polisy nangalatra ordinatera fitondra tao anaty taxi-be, teny amin’ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra teny Anosy ny 29 oktobra teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva no tratra azy ireo. Misy hetsika ataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 Mahamasina amin’izao fotoana izao. Mpitandro filaminana manao fanamiana sivily no mandeha eny amin’ireny faritra malaza amin’ny endaka sy sinto-mahery ireny. Nisy tokoa ny vokatra. Efa fantatry ny polisy ny fisian’ny mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’io toerana io, indrindra amin’ny ora firavan’ny mpiasa amin’ny hariva. Tovolahy iray nitondra sakaosy nisy ordianatera no lasibatra tamin’ity hariva ity. Niara-niakatra tamin’ny mpandeha ireo roalahy mpanendaka ary rehefa tao anaty fiara dia nalainy mora foana ilay fitaovana.Voalaza fa tsy nahatsikaritra ny halatra ny tompony. Raha vao nahazo izany ireo bandy roalahy dia nivoaka avy hatrany. Tonga anefa dia notsenain’ireo polisy efa nanaraka azy ary nentina avy hatrany tany amin’ny birao hatao famotorana. Fantatra taorian’izany, fa efa mpamerin-keloka izy ireo. Tetsy andaniny, rehefa nahatsapa ny tompon’ilay ordinatera fa very ny fananany, dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy izy. Akory ny hagagany nahita ny zavany tao. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo mpangalatra ireo ary fantatra fa nalefa vonjy maika any am-ponja. Manamarika ny vaovao, fa olona efa matetika migadra ry zalahy ireo ary ny iray vao haingana no nivoaka ny fonja.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici