- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Resa-pitiavana, tovolahy 30 taona maty nananton-tena

Soanierana Ivongo : Resa-pitiavana, tovolahy 30 taona maty nananton-tena

Tovolahy tokony ho 30 taona eo, no hita faty nihantona tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Antsirandrano Soanierana Ivongo tampon-tanàna, ny marainan’ny 29 oktobra  teo. Raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana, tamin’ny alàlan’ny mpitandro ny filaminana dia ireo mpiara-monina aminy nahita ny tranony tsy nivoha maraina no gaga, satria tsy fanaon’ity tovolahy 30 taona ity izany. Vokatr’io dia voatery niantso filoham-pokontany izy ireo nijery ny zava-nisy.Voatery novakiana mihitsy ny varavarana ahitana ny tena marina tao anatiny. Olona nihantona tamin’ny tady “plastique” no hitan’ireo fokonolona tao; izay tena nahagaga azy ireo, satria tsy nisy nipika ny tao anatin’ny trano ka avy hatrany dia resaka famonoan-tena no tao an-tsain’ny rehetra. Raha ny fanazavana ihany koa, dia manana olon-tiana ao an-toerana ihany ity tovolahy ity ary matetika miady izy roa, ka haverin’ny mpiara-monina aminy fa io olana ara-pitiavana aminy no anton’izao famonoan-tenany izao. Mpila ravinahitra ao Soanierana Ivongo ity tovolahy maty nananton-tena ity, fa avy any Mandritsara no tena tanindrazany: koa vokatr’ io tsy fananany havana tao Soanierana Ivongo io, dia ireo fokonolona sy mpiara-monina taminy no nikarakara azy, ary niezaka nitady ny fianakaviany tamin’ny alàlan’ny “radio” ny zandary.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici