Omaly alahady tamin’ny 10 ora sy sasany tany, notringisin’ny taxi-be 192 ny fiara kely iray teo alohany. Rehefa izany dia nanao tohivakany ny loza ka voadona koa ny fiara roa hafa teo alohan’ilay kely. Naratra avokoa iroe mpandeha tamin’io fiara kely voatrongy io. Nitondra olona ilay taxi-be, nisy ihany koa ny mpandeha naratra tao anatiny, araka ny vaovao voaray. Vao nitranga ny loza, hoy ireo niharan’ny voina dia, tsy hita izay nalehan’ilay mpamily. Ny nahamaika aloha dia ny nitondra ilay naratra tany amin’ny hopitaly.
Avy aty Ankorondrano ho any Andranobevava ny fiara maromaro. Rehefa teny amin’ilay dongona tsy azo andehanana mafy anefa dia izao voadoana avy aoriana izao ny iray ary nandona ny teo alohany. Voalaza fa nirimorimo mafy avy aty aoriana ilay taxi-be. Bebe ihany ny fahasimbana tamin’izany, hoy ny tompon’ilay fiara kely, satria vaky avokoa ny fitaratra avy aoriana sy ny avy ao aloha. Tsy fantatra izay antony nandonan’ilay taxi-be ireo teo alohany. Lalana fampiasany anefa iny Masay iny ary mahafantatra tsara ny mpamily fa mijanona kely dia mandeha mora rehefa eo amin’io dongona io.
nangonin’i r.s.