Efa manao ny ezaka rehetra hanaraha-maso ireo jiolahy mitam-piadiana manafika tranom-barotra ny mpitandro filaminana ao Toamasina, saingy mahita hirika hamelezana ireo kendreny hatrany ireo jiolahy mpitondra basy, ary mahalala tsara ihany koa ny fandaharam-potoan’ny mpitandro filaminana amin’ny fisafoana ataony. Ny sabotsy teo tokony tamin’ny 10 ora maraina dia tranom-barotra mpamongady vary sy voamaina ary enta-madinika tao Morarano, tsy lavitra ny sampanan-dalana, “quatre chemins”, izay misy mpitandro ny filaminana manao fandaminana fifamoivoizana sy manara-maso ny filaminam-bahoaka, no notafihan’ireo jiolahy telo nitondra basy PA iray izay nanao taingin-telo tamin’ny moto scooter iray. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 800.000 ariary, ary tsy naharitra 2 na 3 minitra izy ireo nanao ny fanafihana nataony. Raha ny fanazavana dia hain’ireto jiolahy tsara ny fisian’ny vola tao amin’ity tranom-barotra mpamongady ity, saingy tsy nampoizin’izy ireo fa efa nanatitra ny vola maty tany amin’ny banky ny tompon’ny tranom-barotra tamin’ny fandalovan’izy ireo. Tsy nisy aloha ny fipoahan’ny basy na efa nandrangaranga izany izy ireo. Rehefa nahazo ny vola notadiaviny ireto jiolahy telo dia lasa nandositra avy hatrany.
Malala Didier