- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 23, 2025
AccueilFaits-Divers« Tambazotra » : Nifampiarahaba tratry ny taona

« Tambazotra » : Nifampiarahaba tratry ny taona

Ny alahady  2 febroary teo, tontosa ny fifampiarahabana tratry ny taona 2014 teo amin’ny zanaky avy ao Matsiatra Ambony sy ny avy ao Amoron’i Mania. Nomena voninahitra manokany ny ray aman-dreny iombonana  ramatoa Zenaïde Ramampy Lechat, Mama-Zena. Araka ny fantatra, efa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena izy. Tany amin’ny trano fonenany rahateo no nontontosaina ny lanonana. Tonga tany avokoa ireo sangany avy ay amin’ireo faritra roa ireo. Ny Jeneraly Ramakavelo, Amoron’i Mania no nitondra ny fitenenana amin’ny maha zokibe azy. Ity fivoariana tany amin’i Mama-Zena ity dia natao hamerenana indray ny hery mampitambatra, hery mampivondrona,mba hanana ny toerana sahaza eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny raharaham-pirenena. Avarapianarana, manana izany ny avy amin’ireo Faritra roa ireo. Tamin’ny teny rehetra nifanakalozana no nanamafisana ny hisian’ny “Tambazotra” mampiray sy mampitambatra. Tsy fikambanana misy sata mifehy ny “Tambazotra” fa fiaraha-midiniky ny tsara sitrapo rehetra.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser