Tamin’ireo olona 23, nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana taty Ankazoabo Atsimo, noho ny resaka halatr’omby, fantatra fa olona fito no nampidirina am-ponja vonjimaika, ny sivy kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Tsy tao anatin’ireto nampidirina am-ponja ireto kosa ireo delegem-panjakana sy sefo fokontany, voarohirohy tamin’ity resaka ity. Naharitra andro vitsivitsy no nohenoina ireto olona ireto, nanoloana ireo mpitsara mpanao famotorana taty an-toerana. Marihana fa samy mponina ao amin’ny fokontany ao Ebona, distrika Ankazoabo avokoa izy ireto, ary manana rohim-pihavanana amina parlemantaire iray. Ny sefo fokontany ao an-toerana, raha ny fantatra teny an-toerana dia zokin’ity farany lahimatoa. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia tsy mbola tapitra hatreo akory ny fanadihadiana mahakasika ity resaka ity. Hisy ny fangatahana fahazoan-dalàna manenjika, na « ordre de poursuite » amin’ireo tompon’andraikim-panjakana maromaro, niakatra Fampanoavana teo, voatonontonona amin’ity resaka halatr’omby ity. Nampikoriana ranomainty betsaka tokoa ity raharaha tao Ebona ity, izay niseho nandritra ny hetsika Fahalemana 2015, notontosain’ny teo anivon’ny Tafika, miara-miasa amin’ny zandary. Raha tsiahiviana mantsy dia, taorian’ny didy fisavana navoakan’ny Fitsarana taty an-toerana ny valabe ao Ebona, izay an’ny depiote Mara Niarisy, niaraka tamin’ny tranony, dia nidina teny an-toerana ireo zandary nampian’ireo miaramila avy amin’ny Hetsika Fahalemana. Tamin’izany no nahitana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Nentina nohamarinina avokoa ireo omby an-jatony maro tao an-toerana. Maro amin’ireo olona nampanantsoina tamin’iny faritra Ankazoabo iny, no nilaza fa nahita ny ombiny, izay very efa aman-taonany aza ny an’ny sasany, tao anatin’ireo omby nalaina teny Ebona ireo. Vesatra maromaro no hiampangana an’ireto olona ireto natolotra ny Fampanoavana ireto, ka anisan’izany ny fanaovana hosoka taratasim-panjakana, fitazonanana basy tsy ara-dalàna sy ny hafa. Nisy 29 ireo mpitory tamin’ity raharaha ity, araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana.
m.L