- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmborompotsy Iakora : Hilavo lefona sy hametra-piadiana ireo dahalo

Amborompotsy Iakora : Hilavo lefona sy hametra-piadiana ireo dahalo

Milamina ny tanàna, raha ny fahitanay azy tany an-toerana. Eny fa na dia ahenoana fanafihana sy fihantsiana ireo miaramilan’ny hetsika Fahalemana ihany aza amin’ireo tanana vitsivitsy amin’iny distrikan’i Iakora iny. Saingy tsy mitarain-tana miempaka ireto farany ary manao ny asany mba hitazonana sy hampihenana ity tsy fandriam-pahelamana amin’ny asan-dahalo ity. Porofon’izany, fantatra tany an-toerana, fa hisy dahalo maromaro avy ao amin’ny tanana iray ao Amborompotsy, hametra-piadiana sy hilavo lefona amin’ireo miaramila. Araka ny fanazavana azo, dia taorian’ny tifitra fampitandremana tamin’ny alàlan’ny « lance-rocket » no anton’izany filavona lefona izany. Sahy nihantsy ireto miaramila ireto mihitsy mantsy ireo dahalo tamin’io toerana io, ary nilaza ho tsy matahotra basy kalach. Tsy maintsy nampiasa fitaovana ambonimbony noho izany ireto miaramila ireto, mba hampanaiky ireto malaso ireto. Na izany aza tsy nitifitra tao an-tanana mivantana ilay fitaovam-piadiana, hoy ny lehiben’ny fibaikona miaramila any an-toerana, fa teny amin’ny sisiny. Ny herinandro lasa teo no nisehoan’izany. Tamin’ny alàlan’ireo tompon’andraiki-panjakana tao amin’io toerana io no nilazan’ireo dahalo ny filavoany lefona, raha ny fanazavana azo hatrany. Hatramin’ny omaly, fotoana nialanay tany an-toerana aloha, dia mbola tsy tanteraka io hetsika fametrahan’ny dahalo fitaovam-piadiana io. Somary nahatsikaiky ihany ity tranga ity, satria tsy vitan’ny hoe vonona hametra-piadiana ireo dahalo, fa nanangan’izy ireo tsangambato fahatsiarovana teo amin’ilay lavaka, navelan’ny ôbisin’ilay « lance-rocket ». Tsy nisy maty, tsy nisy naratra akory tamin’io fotoana io raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici