Tovolahy iray 23 taona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, afak’omaly hariva, tany Toliara, tsy lavitra ny fiantsonan’ny taksiborosy Sanfily. Raha ny vaovao voaray, dia saika hanolana zazavavikely 10 taona ranamana no tra-tehaka. Niantso vonjy avy hatrany ilay voatavo tsy mifandraka raha nobedain’ity tovolahy ity tao anaty haizina. Taitra ny teo amin’ny manodidina raha nahare izany ka raikitra avy hatrany ny “ hazolava ”. Teny am-pandosirana ity mpanolana ity no voasambotry ny fokonolona ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Vaky ny tetamaso, rapa ny tarehy, nivindana ny vava, mangan’ny daroka sy vono ny lamosiny sy tratrany, ary raha nisy kely, hoy hatrany ny vaovao voaray, dia nety nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny. Na dia nody adala toy ny fanaony, hoy ny fanamarinam-baovao avy any an-toerana, ity tovolahy mpanolana ity rehefa traingo amin’ny fomba mamoehitra fanaony isaky ny mamon-drongony, dia tsy nananan’ny olona teto an-tanàna antra intsony ny fihetsika mamoafady imasom-bahoaka vitany tamin’ity indray mitoraka ity.
Eric Manitrisa
Toliara : Tovolahy nanolana zaza 10 taona, saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Articles qui pourraient vous intéresser