- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ben’ny tanàna voaroba, lasan’ny jiolahy ny vola rehetra

Toliara : Ben’ny tanàna voaroba, lasan’ny jiolahy ny vola rehetra

Ben’ny tanàna iray (avy amina kaominina ambanivohitra iray any amin’ny distrikan’i Toliara II) izay nivahiny tao Tsimenatse Toliara nanomboka ny zoma lasa teo no niharan’ny fanendahana, ny alin’ny alahady teo, rehefa iny handeha hody hamonjy ny trano nivantanany, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Lasan’ny telolahy nitondra antsilava (mitovitovy amin’ny sabatra) nanakan-dàlana azy ny “sac à dos” nobabeny nisy anton-taratasy maromaro. Nanjifa ihany koa ny vola rehetra teny aminy, niampy ny findainy roa. Tsy vitan’izay fa vaky tetamaso nivoa-drà ity ben’ny tanàna ity noho ny daroka nihatra taminy, raha iny saika hanohitra an’ireo mpandroba azy.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici