Talanjona avokoa ny maro manoloana ilay fanapahankevitry ny fitsarana. Sady nitazona sabatra ilay olon-dratsy no sarona am-bodiomby teo am-panaovana sinto-mahery. Teny Ambodifilao no nisehoan’izany,ny herinandro lasa teo. Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpanendaka rehefa nentina tetsy Anosy ary amin’ity herinandro ity ny raharaham-pitsarana no handeha. Karàna no anaran’ilay voakasika ary efa navoakan’ ny gazety mpiseho isan’andro ny sariny; izay niaraka tamin’ny sabatra fanatontosany fanendahana. Voatery nanapoahana basy izy vao nijanona tamin’ny fotoana nisamborana azy. Tsy niandry ela izy fa vao nahazo fahafahana teny amin’ny fampanoavana, dia avy hatrany dia niverina nihaodihady teo amin’ireo mpivarotra izay nitory azy ary efa nanao fandrahonana sahady. Ankehitriny dia mihorohoro ireo olona noho izany toe-javatra izany. Handeha amin’ity herinandro ity ny raharaham-pitsarana; izay manomboka eto dia arahi-maso akaiky, satria mamofona kolikoly indray koa.
D.R