Noho ny fahatezeran’ny olona, dia saika raikitra ny sakoroka hanaovana fitsaram-bahoaka tao amin’ny biraon’ny zandary. Tsy tanteraka ihany anefa izany. Ny tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra avy ao Miarinarivo tonga tany an-toerana handamina indray, no simba fananana. Nahapotehana mantsy ny fiara nentiny.
Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, ny alatsinainy 26 oktobra, nisy omby roa very tao amin’ny tanana antsoina hoe Mahavelona any Soavinandriana. Rehefa natao ny fikarohana, hita ireo omby fa ny mpangalatra no tsy fantatra izay nalehany. Nisy olona niteny anefa, fa toa hoe mahafantatra ny mpangalatra izay lasa nandositra. Rehefa nifampitadiavana izy io tratra. Nampandrenesina ny zandary ary nitondra azy tany amin’ny birao hatao fanadihadiana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa rehefa teny an-dalana dia nitambotsotra ity olona ity ary dia maty. Raha vao nahare izany vaovao izany ny fokonolona dia niakatra ny hatezerany ary vonona avy hatrany hanao fitsaram-bahoaka ka ny zandary no lasibatra amin’izany. Nisy moa ny fandraisana handraikitra ka nasaina niala ny toby ireo mpitandro filaminana sy ny vady aman-janany. Nampandrenesina ny tompon’andraikitry ny Faritra avy ao Miarinarivo, ka tonga tany an-toerana ny Lehibeny niaraka tamin’ny dokotera sy tompon’andrikitra hafa. Nihaona tamin’ny solontenan’ny fokonolona izy ireo tao amina trano iray. Tsy fantatra anefa izay nsieho tany ivelany tany, satria araka ny vaovao hatrany, nisy ny herisetra niseho ka nahasimbana ny fiaran’ny lehiben’ny Faritra. Na izany aza, afaka nandinika ilay razana ny dokotera tonga tany an-toerana. Rehefa avy nijery izy dia nanambara, fa maty noho ny fihetsehampo ilay olona. Tsy nahita ratra na zavatra hafahafa tamin’ny vatany. Voalazan’ny vaovao moa, fa efa milamina ny fandehan-draharaha any an-toeran amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i r.s.