- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025

Tapatapany

# – Beraketa. Tafiakatra 25 ireo namoy ny ainy. Fantatra izao araka ny vaovao voaray avy any Beraketa fa tafiakatra hatrany amin’ny 25 ireo olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany tamin’ny alahady lasa teo. Fiara ana orinasa mpanamboatra lalana ireny no niotndra olona hatrany amin’ny 40 no nivadika ka nahatonga izao fahafatesana marobe izao. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa vokatry ny fandehanana mafy no nampivadika ity fiara ity. Ho any Ambovombe Andray handray karama ireo olona ireo izao niharan’ny loza izao.

# – Mahajanga. Fiara very hita tany Antanifasika. Very tany Mahajanga tsy lavitra ny trano fonenan’ny tompony ny faira 4X4 iray. Nametraka fitoriana tany amin’ny zandary ny tompony. Natao ny fikarohana ka olona tsara sitrapo iray no afaka nanome vaovao. Hita tany Antanifasika amin’ny lalam-pirenena faha-4 ilay fiara tsy mataho-dalana. Araka ny vaovao nentin’ny mpitandro filaminana dia nisy fiara kely iray, izay tsy voaray ny laharany, hita teo akaiki’ny toerana nanafenana ny fiara. Efa tafaverina amin’ny tompony ilay 4X4.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici