Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, teny Andrefanambohijanahary ny fianakavian’i Alisoa Jean, izay fantatra fa maty notifirin’ny miaramila tany amin’ny faritry Tsiroanomandidy. Nilaza mazava ireto fianakaviana ireto, fa eo anatrehan’ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana dia ho entin’izy ireo amin’ny sehetra ambonimbony kokoa ny raharaha. Ny any an-toerana mantsy, araka ny filazan’izy ireo, dia efa nanao ny andraikitra manandrify azy ny ao amin’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana tokony hanao ny fanadihadiana. Araka ny filazan’ireo fianakaviana anefa, hatramin’izao dia tsy misy ny handraikitra raisin’ny avy ao amin’ny lehibe mifehy ilay navanona ny famonoana. Miandry izany ry zareo amin’izao fotoana izao satria mahita fa mitady ho very momoka fotsiny ny raharaha. Ity olona namoy ny ainy ity, araka ny filazan’ireo fianakaviana hatrany, dia tsy olon-dratsy fa nanana ny naha izy azy tany an-toerana. Tsy mbola mazava amin’izy ireo araka izany ny antony namonoana azy. Etsy andaniny moa, vao tsy ela akory izay fa andro vitsy lasa, nisy olona dimy ihany koa maty voatifitra tany an-toerana. Voalaza fa saika mitovy amin’ny fandehan-draharaha tamin’ilay famonoana niseho teo aloha izy ity ary raha tsy misy ny fandraisana handraikitra dia tsy hanaika mora izany zavatra izany ry zareo.
Nangonin’I r.s.