- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndrefanambohijanahary : Epicerie norobain’ny jiolahy

Andrefanambohijanahary : Epicerie norobain’ny jiolahy

Ny alin’ny talata hifoha alarobina teo, no nitrangan’ity fandrobana ity. Mpivarotra enta-madinika iray no lasibatry ny jiolahy mpamaky trano. Noraofin’ireo tao avokoa ny entana maro izay tokony namidy rehefa avy novakiana ny trano. Notaterin’ireo tamin’ny baoritra mihitsy izany ary saika entana fampiasa amin’ny fiainana andavan’andro avokoa no lasa. Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina teo no nitrangan’ity famakian-trano ity, raha araka ny fanazavan’ny manodidina. Taitra ny olona raha nahita ireo olon-dratsy izay nitatitra ireo entana. Tsy niandry ela dia fantatra fa mpamaky trano izy ireo. Nifarimbona ny olona ary nanao ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Vokatr’izany dia natsipin’izy ireo tamin’ny tany ny entana sasany izay navesatra, mba nahafahany nitsoaka mafimafy kokoa, nanavotra aina. Mba voaverina ihany ny ankamaroan’ny entana, saingy ireo mpandroba kosa dia tsy nisy voasambotra. Noheverina ho isan’ny toerana tsy atahorana amin’ny asan-jiolahy iny kartie iny noho ny fisian’ny tobin’ny zandary izay eo amin’ny manodidina. Saingy mbola sahin’ireo olon-dratsy hatrany ny manantontosa ny asany na misy aza izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici