- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpitandro filaminana mamo, nanapoaka basy fa nifamaly tamin’ny sipany

Antsirabe : Mpitandro filaminana mamo, nanapoaka basy fa nifamaly tamin’ny sipany

Hatariana ny an’ny olona manodidina teny amin’ny Piste Antsirabe, raha naheno feom-basy nipoaka. Tsy nisy mpangalatra akory na sakoroka hafa, fa hay mpitandro filaminana no nanapoaka ny basy teny an-tanany fa nifamaly tamin’ny sipany.

Ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 3 ora tokandro no nisehoan’ity tranga ity, teo amin’ny manodidina ny kianja lehibe fanaovana hazakaza-tsoavaly. Avy nanao P.R ny mpitandro filaminana roa  lahy no nandalo teto aminay hoy ny mpiavarotra iray nidiran’izy ireo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny andro tamin’io. Efa mamomamo ry zalahy hoy ny nanatri- maso, mbola nitohy ny revy, nisy miaramila iray sy sivily roa niaraka taminy avy eo. Rehefa tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro, niala ny toeram-pisotroana ry zalahy ka ilay mpitandro filaminana iray niaraka tamin’ny sipany,nizotra niatsinana  nihazo ny tany malalaka eo amin’ny Piste. Vetivety teo nirefotra ny basy, taitra ny manodidina ka nirongatra nijery ny zava- nitranga. Indreo izy roa mifamaly no tazan’ny olona, fantatra fa tsy nifara-kevitra izy roa ireto ka izay no antony nanapoahany ny basy teny an-tanany, soa aloha fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy fa nanao tifi-danitra ilay mpitandro filaminana. Araka ny fantatra dia efa nisy ny fepetra noraisina, ny amin’ity mpitandro filaminana mamo sy nanapoaka basy ankalamanjana ity. Na iza na iza manao fandikan-dalàna dia iharan’ny lalàna hoy ny tompon’ndraikitra iray nanazava.

Andry N.07

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici