- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Pelaka voadonam-pitiavana, namono tena

Anosy : Pelaka voadonam-pitiavana, namono tena

Tsy misy ahafantarana azy mihitsy hoe lehilahy raha jerena ivelany. « Vehivavy » tsara tarehy ary tena mampijabaka tanteraka raha tsy mijery ambony…ambany. Niainga tamin’ny fifampiresahana avy tamin’ny tambajotra sosialy « facebook » ny raharaha. Rehefa nifampikaoty elaela tao izy sy ny tovolahy iray, dia  tapa-kevitra ny hifanao fotoana. Mbola tsy nisy olana hatreo, satria tsy mbola fantatr’ilay tovolahy fa lehilahy ity mifanadala aminy ity. Rehefa lasa lavidavitra kely ny fifankatiavana vao nipoitra ny…nafenina. Kivy ratsy ny lehilahy ary tonga dia niala teo an-toerana no sady nanapaka ny fifandraisana tamin’ilay pelaka nanomboka teo. Nopihiny hatramin’ny findainy mba hialana amin’izay mety ho fifaneraserana eo amin’ny roa tonta. Tao anatin’ity raharaha ity, dia tsy izy irery no kivy fa indrindra  ilay sarim-bavy. Voadonam-pitiavana tanteraka io farany, noho ny hadisoam-panantenana ary tapa-kevitra ny nisotro poizina famonoana bibikely. Ireny « nuvan » ireny no nogohiny, raha araka ny fanampim-baovao azonay. Torana ary nentina teny amin’ny hopitaly ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tao anatin’ny redirediny, dia voamarina fa olana ara-pitiavana no nitarika ilay famoizam-po. Avotra soa aman-tsara ny ainy, ny alin’iny ihany satria tsy dia poizina mahery vaika ilay nosotroiny no tonga ara-potoana ihany koa teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Nodiovina ny vavoniny, dia afaka nampodiana ny tenany. Hafakely ary tsy dia faheno firy ilay zava-nitranga, hany ka na ny mpiambina narary sy ny mpitsabo rehetra tao amin’ilay toeram-pitsaboana aza dia liana tamin’ny zava-nisy. Fahadisoam-panantenana hafakely…
D.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici