- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Halatr’omby, olona valo voasambotra

Antsirabe : Halatr’omby, olona valo voasambotra

Tsy toy ireo dahalo manao fanafihana mitam-piadiana sy mandroaka omby maro akory ireto valo lahy voasambotra ireto, fa mpanao irony rainizavona irony tao amin’ny kaominina Andranomanelatra.

Niverina indray ity rainizavona ity raha somary nangingina kely izy teo aloha, ao amin’ny kaominina Andranomanelatra no tena isehoan’ity halatr’omby mangingina ity. Anaovan’ireo jiolahy latsak’alina ny omby ao ambala, tsy maka maro ry zalahy fa iray na roa no alainay dia roahina miala eo an-tanàna avy eo, vao dify kely ny tanàna dia vonoiny ny omby ka matetika taolana  sy potipotikena sisa avelany eo amin’ny toerana nandrasany omby. Tsy izay anefa no nitranga tamin’ity halatra ity, naharay antso ny zandary fa nisehoana halatr’omby tao Tanetimiarina kaominina Andranomanelatra, ny alin’ny 27 Oktobra lasa teo, nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary ka tratra tao Ambano ilay omby, saingy efa nivadika hena teny ambony akalana sy tany amin’ny mpiavarokena. Vokatry ny fiara-miasa tamin’ny vahoaka dia tratra ireo mpangalatra sy ny mpivarokena miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Valo no voasambotra ka ny efatra no fantatra fa mpiavarokena. Naiditra am-ponja vonjimaika izy valo lahy ireto, miandry ny fitsarana azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici