Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nitrangan’ilay fandrobana tranon’olona. Jiolahy tsy latsaky ny telo no namaky ny trano iray tao Anosizato. Vitan’izy ireo tsara izany ary tsy nisy na inona na inona henon’ny tompon-trano. Efa nivoaka teny amin’ny làlana izy ireo no nifanehitra tampoka tamin’ny andrimasom-pokonolona izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Sarona avokoa ny entana izay nangalarin’izy ireo, natsipy tamin’ny tany ary nanavotra aina ireo olon-dratsy. Saingy tsy afa-niala nanoloana ny olona maro izay niandraikitra ny fiarovana ny tanàna. Omaly no natolotry ny andrimasom-pokonolona ny mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy ary nanomboka avy hatrany ny fakàna am-bavany azy ireo.
D.R