- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIavoloha : Toakagasy 2 500 litatra saron’y polisy

Iavoloha : Toakagasy 2 500 litatra saron’y polisy

Olona roa, lahy avokoa no tratran’ny polisy nitondra toaka voarara teny amin’ny faritry Iavoloha amin’ny lalam-pirenena faha-7, ny alarobia 4 novambra teo. Hoentina aty Andrenivohitra ireo toaka ireo. Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana mikasika ity zavatra ity. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no natao ny fisavana fiara iray avy any atsimo. Tamin’izany no nahitana toakagasy anaty tavoahangy “Ainga Niala” miisa 130 gony mahatratra hatrany amin’ny 2 500 litatra. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa hosoka avokoa ny ankamaroan’ireo toaka ireo. Ny 15 gony ihany no tena “Ainga Niala” fa ny ambiny 115 kosa hosoka avokoa. Voalazan’ny vaovao, fa avy any Ambositra ireo toaka ireo. Efa nandritra ny valo volana no nanaovan’ireto olona ireto ny fitondrana toaka avy any amin’io tanana io.Tamin’ny fisavana ny fiara nentiny no nahitana “etiquette” maro dia maro misy ny sotra “Ainga Niala”. Vidin’izy ireo 2 000 ariary any an-toerana ary hamidy 2 600 ariary ny tavoahangy iray. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny alakamisy teo ireo olona roa ireo ary tanana vonjimaika any am-ponja. Ny iray mpamily fiara, ary ny faharoa tompon’ny entana.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici