- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy – Ambodiafontsy : Olona telo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Analamahitsy – Ambodiafontsy : Olona telo matin’ny lozam-pifamoivoizana

Faran’ny herinandro mihosin-drà indray iny nivalona iny. Olona telo be izao, vehivavy ny iray ary zazakely ny roa, no indray matin’ ny lozam-pifamoivoizana, teto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny sabotsy lasa teo. Samy nandao ity tany ity tamin’ny fomba mahatsiravina izy ireo.

Namono olona maro indray ireo lalana teto an-drenivohitra sy ny manodidina iny faran’ny herinandro iny. Tetsy Analamahitsy, zazakely iray vao herintaona sy tapany monja no nipoatsaka atidoha, rehefa avy nianjera avy, ambony ny moto « scooter » nitondra azy, ary nidona tamina taxi-be iray. Ny sabotsy maraina teo no nitrangan’ity loza ity, tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any. Araka ny filazan’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana, dia teny an-trotroan-dreniny, izay nentin’ny rainy tamin’ny ity zaza ity. Raha iny teny am-pandehanana iny no nisy bisikleta nanapaka tampoka ny lalan’izy ireo. Tsy voatanan’ilay nitondra intsony ny familiana ary dia niara-nitrosona tamin’ny tany izy ireo. Vokatry ny fianjerana tampoka, nipitika ilay zaza teny an-trotroana ary notsenaina taxi-be iray nindrana an’iny lalana iny. Voadona mafy teo ambanin’ny fiara ny lohan’ilay zaza. Tsiravina tanteraka ireo nahita, vaky mihitsy mantsy ny lohakeliny ary nipotsaka teo ny atidohany. Maty tsy tra-drano ity zaza tsy manan-tsiny. Tampoka ny loza ka tsy afa-niala intsony ny mpamily, raha ny fanazavan’ity farany. Raha nisy kely ihany koa, hoy hatrany ireo nahita, dia voarain’ny kodiarana ilay raim-pianakaviana. Samy naratra kosa ireto olona roa nitaingina môtô, izay nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Saika lasa adala mihitsy ny renin’ilay zaza maty noho ny voina tampoka nihatra tamin’ny menaky ny ainy.

Fa mbola io sabotsy io ihany, teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny indray. Mpianaka iray, vehivavy nandeha an-tongotra nitondra zaza tao am-babena no indray nofoahan’ny fiara teo Ambodiafontsy, Ampitatafika. Alina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any no nisehoan’ity loza ity, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana. Handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra ity fiara tsy mataho-dalana iray, izay nandeha mafy dia mafy tokoa. Tsy tazan’ny mpamily angamba ireto olona nandeha an-tongotra. Mafy dia mafy mihitsy ny fifandonana raha ny nambaran’ireo nanatri-maso, satria dia nipitika tokony ho am-polony metatra tany ho any ireto mpianaka. Nivilivily kosa vao tafajanona ilay fiara. Samy voa teo amin’ny lohany avokoa ireto mpianaka ireto ary maty tsy tra-drano. Araka ny fantatra dia mponina eny amin’iny faritra Malaza iny ireto mpianaka namoy ny ainy ireto. Nentin’ny mpitandro filaminana natao fanadihadiana kosa ilay mpamily nahavanon-doza.

Nisesisesy indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona, izay mazàna dia vokatry ny tsy fitandreman’ireo mpampiasa lalana. Omaly hariva ihany koa mantsy dia nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’iny faritra Ivato iny, izay nandratra olona iray.

m.L/Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici