- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Notifirin’ny jiolahy ny tompon-trano

Ivato : Notifirin’ny jiolahy ny tompon-trano

Nihorohoro ny mpiara-monina teo Imerimandroso, ny alin’ny zoma teo. Notetezin’ny jiolahy ny tokantrano mifanolo-bodirindrina ary tsy vitan’izany fa mbola nanao herisetra izy ireo nandritra ny fanafihana. Raha araka ny filazan’ny voatafika dia tsy latsaky ny enina izy ireo no nanatontosa ilay asaratsy. Nambanana basy ny iray trano ary noterena hanome vola, firavaka, finday sy izay kojakoja mora nobataina. Lasa hatramin’ny fahitalavitra nandritr’io fanafihana voalohany io. Tsy izany ihany fa notifiriny ny raim-pianakaviana iray mba hampihorohoroana ny olona tao amin’ilay tokantrano. Soa fa mba teo amin’ny tanany no niantefan’ny bala ka mba tsy nitarika fahafatesana izany. Vita izay dia niampita teo amin’ny trano manaraka indray izy ireo. tao koa dia mitovy ihany ny fisehoan’ny fanafihana. Norahonana ny iray trano dia nalaina ny entana izay nety tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny fitambaran’ny vola azon’ireo tamin’ireo fanafihana misesy ireo dia tafakatra 900.000 ariary raha araka ny vaovao azo. Rehefa lasa ireo jiolahy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo olona. Nisy ny fisafoana ny manodidina ary nisy ihany koa ny fanadihadiana nosokafana. Nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra ary nohamafisina kosa ny hidin-trano mba hiarovana izay mety ho fanafihana hafa. Tsy mandry ny fahalemana raha mbola manana basy hatrany ny jiolahy. Misy ny basy vita gasy izay miparitaka fa mbola maro ihany koa anefa ny basy tena izy izay eny an-tànan’ny olon-dratsy. Ny tena loza aza dia ananan’ireo hatramin’ireny kalachnikov ireny, ary indrindra koa, tsy misalasala ny mampiasa izany izy ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici