Nahitana fatin-jazakely nariana indray tany Toliara, omaly naraina. Raha ny vaovao voaray dia nariana tamina toerana takontakona tsy dia lavitra loatra toeram-panariam-pako vao naraim-be ity fatina zazarano manodidina ny enim-bolana ity. Tsy nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa ny teo amin’ny manodidina, fa olona sendra hanao maloto vao maraina nahita harona izay nihevitra fa an’olona hadino ary nisava izany no taitra fa fatina zazarano no tao anatin’ilay “sachet plastique”. Ankevitry ny zaza nesorina izy ity, ka nariana teo satria mbola hita niaraka taminy teny ny tadim-poitrany. Matetika noho ny firaisana ara-nofo tsy voaaro na aloha loatra, dia betsaka ny tovovavy misy ny tsy ampy taona amin’izao bevohoka no manala zaza, ary matetika dia ariana eny rehetra eny izany; izay lasa toa fahazaran-dratsy.
Eric Manitrisa