- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ady tany, Ramatoa naratra notsindronin’ny anadahiny antsy

Toliara : Ady tany, Ramatoa naratra notsindronin’ny anadahiny antsy

Ramatoa iray 30 taona no miady mafy amin’ny fahafatesana, tamin’izao nanindronan’ny anadahiny antsy azy ny alahady naraina teo, ary ahiana mafy ny ainy noho ny halalin’ny ’antsy tafalentika ambanin’ny fony. Resaka ady tany, lova any ambanivohitry Toliara no fototry ny olana teo amin’ireto mpianadahy. Samy milaza ho tompon’ny tany ny roa tonta, ary samy milaza fa nandresy teny amin’ny fitsarana. Niteraka fisaraham-bazana izany ary nihalalim-paka andro aman’alina ny lonilony. Tsy vitan’ny fifamaliana am-bava intsony ny resaka afak’omaly, fa niafara tamin’ny tsindrona antsy. Raha ny vaovao voaray farany tamin’ny ora nanoratanay ity lahatsoratra ity, dia mbola karohina ilay nahavanon-doza nitsoaka. Mahery ny vola sy harena. Very ny soatoavina Malagasy : “ velona iray trano, maty iray fasana ”. Betsaka ny mpianakavy tsy mifandevi-maty amin’izao, noho ity resaka ady lova ity ihany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici