- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Zanaka nandrahona an-drainy naiditra am-ponja vonjimaika

Itaosy : Zanaka nandrahona an-drainy naiditra am-ponja vonjimaika

Lehilahy  vao herotrerony iray no notsaraina teo anivon’ny fitsarana mikasika ny ady heloka omaly. Notorian’ny rainy niteraka azy ho nanao herisetra sy hetraketraka taminy ny tovolahy. Efa nisazy ity ranamana ity, noho ny endrikendrika raha ny filazany. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia heloka tsy nampoiziny fa mety hampigadra no niampangana azy.Efa matetika fataony rehefa tsy manam-bola izy no mandrahona ahy, manompa sy mihetraketraka, rehefa tsy azony ny taratasim-pananana izay tadaviny. Lazainy aho fa olona adala, tsisy saina ary rahonany hoentina any amin’ny polisy sy ny fokontany. Nolazainy mihitsy aza fa hitondrany basy amin’ny fotoana manaraka ary tsy maintsy misy maty ny fianakaviana rehefa tsy azony izay ilainy dia ny taratasim-pananako. Tsisy intsony ny fanajana fa dia ambaniany tanteraka aho” hoy ilay Raiamandreny be izay efa nahazoazo taona ihany raha nanontanian’ny fitsarana, mikasika ny antony nitoriany an’ity zanany. Ny voampanga kosa anefa teo anatrehan’izany dia nandà mafy ny fanamelohana azy, ary nilaza fa fiarovany ny rainy no antony nitakiany an’ireo taratasim-pananana ireo. Tao aorian’ny fanambarana nolazain’ny vavolombelona izay nilaza ho naheno matetika ny teny mahery ataon’ity ranaman’ity an-drainy no nahitan’ny fitsarana fa mitombina ny fitoriana. Tetsy andaniny  ihany koa niaiky ny heloka ankolaka ny voampanga. Tiana ihany no mampatsiahy fa raran’ny lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy ny famingavingana, ny fanaovana herisetra sy hetraketraka amin’ny olona iray. Satria tsy ny  herim-batana ihany no atao hoe herisetra sy hetraketraka, fa mety ho herin-tsaina ihany koa. Sahala ny nahazo an’ity raim-pianakaviana ity izay araka ny filazany dia tsy natory andro aman’alina ary mandraiki- marary mihitsy amin’ny fieritreretany fa mety hamono azy ny zanany.  Amin’ny 23 novambra ho avy izao no fantatra ny valin’ny fitsarana. Eny tokoa ny teny tsirambina sy tsy voalanjalanja dia mety hahitan’ny fianakaviana angano.

Narindra (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici