- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVedety rendrika tao Katsepy : Mpiasan’ny fahasalamana ny telo maty tamin’ireo dimy...

Vedety rendrika tao Katsepy : Mpiasan’ny fahasalamana ny telo maty tamin’ireo dimy namoy ny ainy

Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny faharendrehan’ilay vedety haingam-pandeha, antsoina hoe Mavitrika II, mampitohy an’i Mahajanga sy Katsepy, ny alahady lasa teo. Nahafatesana olona dimy ity loza nitranga ity, araka ny fanazavana azo tao amin’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Ary ny telo tamin’ireo dia tompon’andraikitry ny fahasalamana ao Katsepy. Ireto avy ireo olona namoy ny ainy tamin’ity loza ity : -Razafindranjandry Sidy Silvie, 26 taona, mpitsabo mpanampy ao amin’ny CSB2 Mitsinjo, -Rakotobe Marcel Bonaventure, 55 taona, dokotera Inspektera ao Mitsinjo hatrany, – Rakotovao Adonis, 35 taona, dokotera ao Katsepy, – Randrianarison Hanitra, 46 taona, -Kasi Bel Hamed, 44 taona.

Hatreto raha ny fantatra dia vokatry ny olana mekanika, nahazo ity vedety ity, teny am-povoan-drano no antony nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Marihina fa olona teo amin’ny 20 teo no nentin’ity vedety haingam-pandeha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici