- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Telolahy tratra nitondra taolam-paty 28 kilao

Mahajanga : Telolahy tratra nitondra taolam-paty 28 kilao

Andeha hamidy eto Mahajanga ireo taolam-paty ireo no tra-tehakin’ny mpitandro filaminana tao Mangarivotra  ny alatsinainy maraina lasa teo. Milanja 28 kilao nalaina tamina fasana fianakavina iray atao hoe Maromalandy tany amin’iny faritra Mariarano distrikan’I Mahajanga faha 2 iny. Telolahy izy ireo no nosamborina avy hatrany taorin’ny velapandrika natao. Olona tsara sitrapo nahatsikaritra ny asa malaton’izy ireo no nampandre ny fisian’ireo mpanao halatra taolam-paty ireo tany amin’iny faritra Betatamo atsinanan’ny Mangatokana iny.

Araka ny nambara dia any Amborovy manakaiky ny pôtô mainty ao no misy ny mpividy an’ireo taolam-paty ireo eto Mahajanga. 7 hetsy ariary no andraisany ny kilao amin’izany ary izy ireo ihany no mandaja azy rehefa tonga any ny entana. Eo ampikarohany ity farany, indrindra moa ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana miaraka amin’ireo namany sasany izay tafaporitsaka tamin’ny fisamborana izay natao. Ny ampitso ihany dia nampiakarina eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Ny eto Mahajanga izay samy mbola mametra-panontaniana avokoa hoe : ho atao inona tokoa moa ireo taolam-paty angalarina ireo no hanimbazimbana ny razana malagasy tahaka izao.

Tantely Vandriam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici