- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndakana Ambohidratrimo : Taxi-brousse nifatratra tamin’ny tamboho, zaza iray maty

Andakana Ambohidratrimo : Taxi-brousse nifatratra tamin’ny tamboho, zaza iray maty

Nisehoana lozam-pofamoivoizana, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, teny amin’ny tanànan’Andakana Ambohidratrimo. Vokany, zaza lahikely iray 5 taona no namoy ny ainy. Ankoatra izany rava tanteraka ny tamboho. Ny filazan’ireo izay nahita ny hilazana fa nandeha mafy ity fiara mpitatitra mampitohy an’Alakamisy  Anosiala sy ny renivohitra ity. Rehefa nihazo ilay fidinana hiditra ny tanànan’Andakana ilay izy dia tsy fantatra  izay nahazo ny mpamily fa tonga dia nifatratra tany amin’ny tambohon’ny trano iray. Tsy nahatana azy io fefy io ka rava. Tsy tafajanona ilay izy raha tsy teo ambany lavarangan’ny trano. Fa ny tena nampalahelo, nofahony tamin’izany ny zazalahy kely iray 5 taona nilalao teo an-tokontany. Araka ny efa voalaza, maty tsy tra-drano ilay zaza. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa naratra teo amin’ny handriny koa ilay mpamily. Ireo olona vitsivitsy tao anaty fiara kosa toa tsy dia nisy naninona.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici