- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Asan-jiolahy, olona telo nosamborina

Antsirabe II : Asan-jiolahy, olona telo nosamborina

Tamin’ny voalohan’ny volana novambra teo, nisy vaky trano niseho tany amin’ny tanàna antsoina hoe Morarano, kaominina Belazao Antsirabe II. Vokatr’izany, olona telo no nosamborin’ny zandary. Ny iray jiolahy mpanafika, ny roa hafa mponina teo amin’ny tanàna ihany nampiantrano ireo olon-dratsy. Io andro io, tonga nandroba tao amin’ny trano iray ny jiolahy voalaza fa valo nitondra basim-borona. Nampitahoriny tamin’izany ny olona tao an-trano ary dia nitifitra mihitsy izy ireo. Tsy nipoaka anefa ilay basy fa nitsefotra. Raha nahita izany ireo voatafika dia nanohitra avy hatrany. Raiki-tahotra ireo mpandroba ka lasa nandositra. Nandre izany ny manodidina ka nanenjika. Afaka ny fito fa vosamabotra kosa ny iray ilay nitondra ny basy. Niantso ny zandary ny mponina ary dia natao ny famotorana an’io tratra io. Natorony avokoa ireo namany tafatsoka. Tetsy andaniny, nilaza koa izy fa olona teo an-tanàna ihany no nampiantrano azy ireo alohan’ny fanafihana. Efa ho andro iray ry zalahy no tao ary ireo mpampiantrano ireo no nanome sakafo azy. Rehefa alina, ireny ireo jiolahy nandeha nanafika.  Tsy nipoaka anefa ny basy ka tsy nahomby ny fandrobana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici