- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpirahalahy niady tany, tsy mbola milamina

Toamasina : Mpirahalahy niady tany, tsy mbola milamina

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny vadintany hanatanteraka didim-pitsarana, sy ny iraky ny depioten’i Toamasina. Nandritra ny fanatontosan’ny voalohany ny didim-pitsarana ady maika, mikasika resaka ady tany teo amin’ny samy mpirahalahy, dia Issouf Faouzi ilay zokibe sy Issouf Lambert ilay zandrikely mikasika ny tany ao Tanamakoa P/elle 12/12 lot F0090. Vokatry ny baiko hampitsaharana ny fanatontosana ny didim-pitsarana nataon’ny ekipan’ny depiote, dia namaly izany ny vadintany, fa tsy mandray baiko avy amin’ny solombavambahoaka afa-tsy ny fitsarana naniraka azy ihany. Tao anatin’izany, dia nitohy hatrany ny fanalana sy fanesorana ireo olona tao anatin’ilay tokotany sy ireo trano, araka ny voalazan’ny didim-pitsarana ady maika nifanatrehan’ny mpiady, ny 12 aogositra izay nivoaka fehin-teny ny 15 oktobra lasa teo ary tsy nahitana fampiakarana fitsarana ambony araka ny zon’ny mpiady. Tao anatin’izay anefa, dia nilaza i Issouf Lambert fa efa 26 taona no nipetrahany tao anatin’ity tokotany nanesorana azy ny alatsinainy 09 novambra teo ity. Efa betsaka noho izany araka ny nambarany ny voly sy fihariana natao tao anatin’izany tany izany, ary mbola zandriny faralahy koa aho fa tsy hoe vahiny na mpibodo tanin’olona ihany koa. Ho an’i Issouf Faouzi kosa dia nilaza izy, fa azy ny tany araka ny didim-pitsarana ady maika nataony; satria izany Rtoa Bedo Joelle izany no nanome azy am-bava ny tany ny taona 2.000, sy araka ny taratasy “fanomezantany” sy “fanamarinana” ny 28 desambra 2011. Koa tsy hitako ny olana raha maka ny taniko aho hoy hatrany i Issouf Faouzi. Samy nanana ny fandikany ny raharaha nitranga ny maraim-ben’ny alatsinainy teo io ireo mpiara-monina amin’ireo mpirahalahy miady tany ireto; saingy ho an’ny fianakaviana Issouf kosa dia lasa olana goavana ara-pianakaviana ny raharaha, ary tonga hatramin’ny “tsy fandevi-maty” ho azy mirahalahy miady koa…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici