Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly alarobia 11 novambra, ny komisera Ratsirombahina Geramina lehiben’ny Commissariat central fa ho hentitra amin’ireo mpitondra moto tsy manara-dàlana ny mpitandro filaminana. Anisan’ny tsy hoekena ny tsy fanaovana aro loha ambony môtô, ny fitondrana zazakely amin’ireny kodiaran-droa ireny ary koa ny fanaovana taingin-telo. Raha misy ny fahatrarana izany, dia tsy avela mandeha intsony ireo tsy manara-dàlana. Ankoatra izany, nanitrikitrika ity tompon’andrikitra ity, fa sazy henjana no miandry ireo polisy minia mitazam-potsiny ireo fandikana làlana ireo.
Voateny tamin’io fihaonana io koa, ny mikasika ny sarety eto Andrenivohitra. Efa misy ny lamina noraisin’ny tompon’andrikitra teo amin’ny polisy, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ireo mpitarika sarety. Misy araka izany ny ora ahafahan’izy ireo miditra : ny maraina, amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina; ny antoandro, amin’ny 11 ora sy sasany ka hatramin’ny 2 ora ary ny hariva amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva.
r.s.