- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Olona iray voatsatoka antsy avy tao amin’ny « bar...

67 ha : Olona iray voatsatoka antsy avy tao amin’ny « bar »

Malaza fa mafampana ny faritra 67 ha iny.
Malaza fa mafampana ny faritra 67 ha iny.

Nitrangan’ny loza indray tamin’ny bar iray tao 67 ha avaratra andrefana tamin’ny alatsinainy alina. Vehivavy no nahatonga ny sakoroka tamin’ity toerana ity araka ny vaovao voaray tamin’ireo olona nanatrika. Efa mpandeha amin’ity bar ity ilay vehivavy efa manan-bady ity sy ny sipany, fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tratran’ny tsy nampoizina. Tonga tamin’ity bar ity ny vadin’ilay vehivavy ka nahita ny vadiny sy ny sipany izay nolazainy fa namany. Nantsoin’ny vadiny izy mba hanantona azy, saingy tsy navelan’ilay namany hanantona ny vadiny ka io no nahatonga ny disadisa. Nifamaly aloha ilay vehivavy sy ilay sipany ka tsy nahazaka ny vadiny ka niditra an-tsehatra. Notaomin’ny vadiny ody ilay vehivavy, nefa mbola tsy nandeha teo dia teo. Nandrasan’ny vadiny tao ivelany ity farany. Hany ka  notsatoany antsy avy tao aoriana ilay rafilahiny vao nivoaka ny toeram-pisotroana fa tsy nahafaty azy akory. Nandositra ilay nahavanon-doza, niantso vonjeo ilay vehivavy, nefa tara kely vao nisy olona tonga. Nenjehan’ny olona ilay nahavanon-doza saingy tsy tratra. Hatr’amin’izao dia karoina ity farany fa mbola tsy fantatra ny misy azy. Ilay voatsatoka antsy kosa dia mbola mitsabo tena, ary araka ny vaovao voaray dia hanao fitoriana ary tsy hamela izay nahavanon-doza mihitsy.

BJC.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici