- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanendaka tratra, taolam-paty hita

Itaosy : Mpanendaka tratra, taolam-paty hita

mpanendaka-Ezaka lehibe no vitan’ny polisy ao amin’ny kaomisaria Itaosy tarihan’ny commissaire Ravelomanantsoa Eric Jaona. Mpanendaka anisan’ny rain-dahiny antsoina hoe Eric R. no voasambotra. Ankoatra izany, nahasarona taolam-paty maromaro ry zareo. Mikasika ilay mpanendaka, voalazan’ny vaovao fa mpamerin-keloka izy io ary efa nigadra indroa. Raha vao mivoaka ny fonja anefa izy dia manao ny asa ratsiny indray. Maro ny fitarainana voaray tany amin’ny biraon’ny polisy eny an-toerana manondro an’i Eric ho tafiditra amin’izany asa fanendahana izany. Voalaza fa tsy mandeha irery ny anao lahy fa manana tarika. Amin’izao fotoana izao aloha, izy no tratra. Tamin’ny fanadihandiana azy, fantatra fa efa indroa izy no nigadra. Tamin’ny faha-9 novambra lasa teo, tratra izy ary nentina tamin’ny fiara. Tafatsoaka avy ao anaty fiara nitondrana azy anefa ny anao lahy tamin’io andro io. Tsy niandry ela anefa dia izao traingo izao indray ny ampitso. Tsy izy irery no manendaka eny an-toerana fa misy namany maro izay mbola tadiavin’ny polisy.

Taolam-paty. Mbola ny avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy ihany koa no nisy niantso mikasika fahitana taolam-paty teny Ambaniala, teny amin’ny fefiloha. Miisa 20 ireo taolona hita ireo. Ireo nahita niantso ny tompon’andraikitry ny fokontany. Ireto farany no nampandre ny polisy. Ny alarobia faha-11 novambra tamin’ny 11 ora no nahitana ireo taolona ireo. Nandeha teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Rehefa avy nijery ny zava-nisy izy ireo dia nanamarika fa tsy naharay fitarainana mikasika vaky fasana teny an-toerana. Araka izany, mety ho avy any amin’ny faritra lavitra ireo taolona ireo no nariana teny.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici