- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFihoaram-pefin’ireo miaramila sasantsany : Niala tsiny ny ministry ny Fiarovam-pirenena

Fihoaram-pefin’ireo miaramila sasantsany : Niala tsiny ny ministry ny Fiarovam-pirenena

« Ialàna tsiny, raha nisy zavatra tsy nety indraindray. Ny omby indray mandry tokoa, tsy indray mifoha ». Tenin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jly Dominique Rakotozafy io, teny amin’ny birao fiasàny teny Ampahibe, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny mahakasika ireo fihoaram-pefy nataon’ireo miaramila izy. Tato ho ato tokoa dia saika voatondro molotra ny Tafika, indrindra fa nandritra ny Hetsika Fahalemana, izay nanirahana azy ireo, any amin’ireo faritra mafana amin’ny halatra omby eto amintsika. Saika avy amin’ireo holafy maro miaro ny zon’olombelona no fiavian’izay tsikera izay. « Ekena, hoy izy, fa nisy tokoa ireo miaramila sasantsany mihoa-pefy. Efa ela tokoa mantsy no tsy nisy hetsika lehibe nataon’ny Tafika, ka mety hiakatra any an-dohan’ny sasany ny dia an-tongotra sy ny hain’andro migaina » Na izany aza, nanamarika ny minisitra fa tsy mpamono olona ny miaramila fa mety hahafaty olona kosa indraindray. Noho ny fiarovan-tena ataony na manoloana ny loza mitatao amin’izy ireo, toy ny fanafihan-dahalo amam-polony maro. Raha mikasika ireo mpihoa-pefy indray, toy izay nitranga tao Midongy Atsimo na tany Tsiroanomandidy, dia niaiky ny minisitra fa hadisoana ireny ary ialàna tsiny. « Efa nandray fepetra izahay. Efa mibaby ny nataony any am-ponja ilay miaramilan’ny Capsat, namono olona tany Midongy. Ary efa noesorina sy hanaovana fanadihadiana ireo telo lahy tany Tsiroanomandidy » hoy izy. Etsy andanin’izay, maro ireo mandefa resaka ratsy mahakasika ny asa ataon’ireo miaramila amin’ity hetsika Fahalemana ity, kanefa tsy misy akory ny olona mitory any amin’ireo toerana ireo. « Raha tena misy izany, tokony hitory ireo olona, ahafahan’ny tribonaly manenjika ireo izay mpihoa-pefy araka ny lalàna velona eto amintsika » hoy hatrany ny fanazavany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici