Teo am-pivarotana no tra-tehek’ireo polisy nivarotra rongony tao amin’ny bazary Mahabibo ny tovolahy iray, ka avy hatrany dia nosamborin’izy ireo. Rongony miisa 26 fonosana no tratra niaraka taminy, ka amidiny 500Ar ny fonsana iray. Asa efa fanaony izy io, saingy izao ny lehilahy vao tratra vokatry ny loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo iray.
Rongony milanja 90 kilao ihany koa no tratra teny amin’iny fokontany Tsararano ambany iny omaly, miisa 312 fatotra saika haondrana ho any komoro. Efa tsara fonosana mihitsy ireo rongony ireo, ary efa nafatratra tamin’ny gony miandry fotoana andefasana azy fotsiny. Avy any Ambanja no nanafarana azy, saingy ao amin’io faritra Tsararano nahitana azy io no atoby manadra-pahatongan’ny sambo. Tovolahy 2 no voasambotra niaraka tamin’ireo rongony ireo teny an-toerana, ilay tompony kosa tafatsoka raha vao naheno ny zava-nisy. Avy hatrany, ny ampitso, dia natolotra ny fitsarana ny raharaha rehetra, taorin’ny famotorana natao tao amin’ny PJ Mangarivotra.
Raha ny fanampim-baovao voaray dia saika any Komoro io hatrany no anondranana ireo rongony mivoka avy eto Mahajanga. Efa misy mpandray izy io any an-toerana ary amin’ny vidiny lafo tokoa. Alefa amin’ny sambo matetika ny entana, afatratra amin’ny gony na atao anaty valizy, toy ny hoe lamba na fitaovana hafa no ao anatiny. Misy hatrany anefa ny fisavana eo an-tseranana fa mahagaga ny tsy hahitan’ireo tompon’andraikitra ny marina amin’izany raha tsy misy ny fifanolanana ka mitarika hatrany amin’ny fitoriana ihany .
Tantely Vandriam