Zaza telo no fantatra fa niharan’ny fanolanana indray teto Antsirabe, ny faramparan’ny volana oktobra teo iny. Fantatra fa fianakaviana akaiky azy ireo ihany no nahavanon-doza tamin’ireo zaza tsy manan-tsiny ireo. Raha ity tranga niseho tamin’ny 14 oktobra teo, ohatra, dia ny dadafarany ihany no nanolana azy. Nanao fialan-tsasatra tao amin’ilay dadafarany ity zazavavy 13 taona ity izao niharan’ny filan-dratsin’ilay rangahy izao. Nitaraina ho narary ilay zaza, ka izay no nahafantaran’ny fianakaviana azy. Taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana, dia nosamborina ilay dadafarany ary efa any am-ponja amin’izao fotoana. Zaza roa hafa koa naolan’ny fianakaviany akaiky azy, vao 6 sy 9 taona monja ireto zaza ireto. Raha ny fanazavana, nozarin’ilay rangahy mijery ireny film sy sary mamoafady ireny aloha ireto zaza, taty aoriana nanaovany fanandramana ka nampihariny tamin’ilay zaza ny filan-dratsiny.Voalaza moa, fa simba avokoa ilay zaza roa. Efa any am-ponja ilay rangahy miandry ny fitsarana azy.
Andry N.