- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Fakàna an-keriny karàna, efa-dahy, afaka noho ny fisalasalàna

Isoraka : Fakàna an-keriny karàna, efa-dahy, afaka noho ny fisalasalàna

Omaly, no niatrika ny fitsarana ady heloka be vava, ireo efa-dahy voarohiroy ho nangalatra fiara sy basy ary naka an-keriny ny zanaka karana iray tao Isoraka. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitsara azy ireo, eny fa na dia eo ihany koa aza ny vesatra nanenjahan’ny avy ao amin’ny mpampanoa lalàna, dia nafahana noho ny fisalasalana izy efa-dahy.

Mpamily manokana ny mpampiasa azy ny iray tamin’izy ireo, voaheloka ho nahavita ny fangalarana sy ny fakana an-keriny. Ny telo lahy ambiny kosa dia voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ingahy mpamily. Tamin’ny fakàna am-bavany, dia nanaiky ny heloka niampangana azy izy ireo. Teo anatrehan’ny fitsarana anefa, dia nilaza ireo voampanga ho tsy nanao ny heloka. Nohamafisin’izy ireo, teo anoloan’ireo mpitsara, fa tsy mifankalala akory ireto olona nolazaina fa mpiray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana ny heloka ireto. Araka izany dia tsy marina, hoy hatrany ny iray tamin’ny voampanga ny filazana fa hita tao an-tranony ny basy poleta roa. Noho ny teritery sy vono nahazo azy ireo nandritra ny herinandro tamin’ny fanadihadiana no naneken’izy ireo tsy fidiny ny heloka tsy nataony araka ny filazan’izy ireo, tamin’ireo mpitsara hatrany. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, dia hita tany amin’ny faritany ny fiara rehefa avy nanao lozam-piarakodia. Nanambara ny mpamily voampanga, fa tsy mpitondra io fiara nolazaina fa nangalarina io fony mbola niasa tao amin’ny mpampiasa azy. Noho izay toe-javatra mifangaroharo be izay, dia nanapa-kevitra ny mpitsara ny hanafaka azy ireo.

Narindra (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici