Mbola maro ireo basy miparitaka amin’izao fotoana, tsy mikely soroka ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana azy ireny. Raha ny eto Antsirabe manokana, tamin’ny taona lasa toy izao, dia basy 8 no saron’ny polisy. Mitohy hatrany io hetsika ataon’ny polisy io, ka basy poleta roa, Smif sy P.A no sarona. Ny alin’ny 28 oktbora lasa teo, nisy sakoroka teny Ampiaviana, naharay antso mikasika izany ny polisy, ka tonga teny an-toerana nanao fizahana. Nandritra ny fisavana natao no nahatrarana ny basy poleta iray. Avy hatrany dia notanana am-ponja ilay nahitana ny basy. Ankoatra izay, basy poleta iray hafa ihany koa no sarona tamin’ny 5 novambra lasa teo. Fampahalalam-baovao avy tamina olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy ny fisian’ity basy ity. Natao ny fisavana, ka sarona tany amin’ny olona iray tokoa ny basy poleta iray izay voalaza fa basy fampiasa amina asan-jiolahy mihitsy. Efa any am-ponja avokoa amin’izao ireo olona nahatrarana ireto basy ireto.
Andry N.