- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversATT : Nihena ny lozam-pifamoivoizana

ATT : Nihena ny lozam-pifamoivoizana

LozaAraka ny nambaran’ny avy ao amin’ny ATT, dia na dia eo aza ny lozam-pifamoivoizana mitranga etsy sy eroa, izay saika ny ankabeazan’izy ireny dia nahafatesana olona, dia nihena izany tao anatin’ny sivy taona. Raha nahatratra 12374 ny isan’izany tany amin’ny taona 2007 dia nihena ho 3010 izany nandritra ity taona ity. Izany dia araka ny antontan’isa avy amin’ireo tranom-piantohana misy eto amintsika. Fantatra moa izany, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’ny aro loza amin’ny fifamoivoizana (ALF), izay nankalazaina omaly 15 novambra. Izao fankalazana izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny 10 taona manokana izay natokan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Aro Loza amin’ny Fifamoivoizana (2010 – 2020), ary tafiditra ihany koa ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikan’ny Governemanta : « Hametraka tambajotram-pitaterana, azo antoka, ieren-doza, manaja ny olona sy ny tontolo iainana », raha ny fanambara avy amin’izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici