Nisehoana fifandonana mahery vaika indray tamin’ireo dahalo sy ny miaramilan’ny Hetsika Fahalemana, ny alahady antoandro teo, tao amin’ny fokontany Antanimiety, kaominina Belobaka, distrika Tsiroanomandidy. Vokany: miaramila kilasy faharoa iray no lavo teny an-tanim-piadiana. Miaramila roa hafa kosa naratra mafy niantefan’ny balan’ireo dahalo. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny Tafika, dia nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny tananan’Ambohijatovo, io alahady io, tokony ho tamin’ny 5ora maraina tany ho any. Dahalo am-polony maro, nirongo Mas 36 roa niaraka tamina basim-borona maromaro tonga naka omby teo amin’ny 200 teo. Nampilazana avy hatrany ireo miaramilan’ny Fahalemana tao Belobaka, ary niezaka avy hatrany ny hisakana ny dian’ireto dahalo. Araka ny fanazavana azo hatrany dia miaramila 11, no niala tao an-toerana handeha hisakana ny dian’ireto dahalo, izay nisy 50 tany ho any. Toa efa nandrasan’ireo dahalo teo amin’io tanànan’Antanimiety ity anefa ireto mpitandro filaminana, ka velona avy hatrany ny fifandonana. Somary « kizo » ihany ity toerana ity, hany ka somary nahazo vahana ireto dahalo, izay efa tena mahafantatra tsara ny toerana rahateo. Niverin-dalàna ireto miaramila rehefa nisy voa ny namany, hany ka tafaporitsaka ireo dahalo sy ny omby nangalarina. Nanamafy ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana anefa, fa mitohy ny fanarahan-dian’ireo malaso ireo. Ny teo anivon’ny zandary ihany koa, izay misahana ny famotorana, dia efa nanokatra izany, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra.
Mbola somary masiatsika ihany ireo dahalo any amin’iny faritry Bongolava iny, eny na dia eo aza ny fisian’ireo miaramilan’ny hetsika, ambonin’izay ny fisian’ireo zandary any an-toerana. Porofon’izany, vao omaly maraina, dia efa nisy dahalo tonga nanafika indray tao amina fokontany, tsy lavitr’ity toerana nisian’ny fifandonana ity. Omby 20 no lasan’ireo malaso tamin’io fotoana io. Raha mikasika ilay miaramila namoy ny ainy kosa, dia fantatra fa efa nampakarina taty Andrenivohitra ny vatana mangatsiakany, ary navantana etsy amin’ny toby RM1, Analakely.
m.L