Mpanao trano iray no fantatra fa nianjera avy eny amin’ny rihana faharoa tao amin’ny trano namboariana teny amin’ny faritra Ampitatafika. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy zavatra notakarina teny amin’io rihana io. tsy nahafikitra tsara anefa ny tanany ka avy hatrany dia nianjera tany amin’ny tany izy. Voalaza fa ny lohany no nandeha mialoha. Torana tsy nahatsioaro tena ilay rangahy, izay efa nahazoazo taona. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly Ampefiloha. Voalazan’ny vaovao fa tsy mbola nahatsiaro tena izy omaly hariva.
r.s.