Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Alasora iny, ny alatsinainy alina lasa teo. Feom-basy maromaro mantsy no nanakoako teny an-toerana, izay raha ny marina, avy tao amin’ny tanànan’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, izay tsy eto an-toerana tamin’io fotoana io. Ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia miaramila iray, mitondra ny gradina sergent, mpiambina an’ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity no nitifitra lehilahy iray, mpiambina ny tanàna. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any no niseho ity tranga ity. Vokany, bala roa no niantefa teny amin’ny fen’ity mpiambina ity. Fifamaliana teo amin’izy roalahy ireto no nahatonga ilay fitifirana, raha ny fanazavana azo hatrany. Angamba hatezerana tsy voatana, ka niafara tamin’ny fandraisana basy.
Tonga nijery avy hatrany ny zava-nisy teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny fiarovana ny fiadidiana ny primatiora. Nisy avy hatrany ny fitondrana ilay naratra teny amin’ny hôpitaly teny Ampefiloha. Efa tsy misy atahorana ny ain’ity naratra voan’ny bala ity, raha ny fantatra hatrany. Fotoana fohy ihany mantsy dia afaka ireo bala tao aminy. Tetsy an-danin’izay kosa, efa nisy fepetra noraisina mahakasika ilay miaramila tompon’antoka tamin’ity fitifirana ity. Nesorina avy hatrany teny aminy ny basiny, ary efa notazomina ao amin’ny toby izy, hanaovana ny fanadihadiana rehetra, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Na izany aza anefa, hatreto, raha ny fantatra hatrany dia mbola tsy nisy ny fitoriana avy amin’ilay voatifitra, raha ny fanazavana azo hatrany. Kanefa tokony hisy izany, mba hahafahan’ireo mpitandro filaminana manohy ny fanadihadiana sy manenjika azy araka ny lalàna.
m.L