Taorian’ny fitoriana napetraky ny mpiara-mivavaka aminy ihany, noho ny resaka fisolokiana, dia niakatra Fampanoavana omaly i « Sœur Fabiola », ilay mpitondra fivavahana voalaza fa efa indroa maty sy nitsangan-ko velona, tetsy Ankerana. Taorian’ny fanadihadian’ireo mpitsara mpanao famotorana dia nampidirina vonjimaika eny Antanimora ity mpitondra fivavahana ity mandra-mpiandry ny fotoam-pitsaràna azy.
« Fivavahan-diso ». « Tena jamba tanteraka mihitsy izahay fony mbola mpivavaka tao aminy. Ankehitriny vao tsapanay izany », hoy ny filazan-dRtoa Raharimalala, isan’ireo mpivavaka tao amin’ny fiangonan’i Sœur Fabiola, tetsy Ampandrianomby. Mpivavaka mafana fo tokoa izy sy ny fianakaviany tamin’izany, tany amin’ny taona 2013, araka ny fitantarany. « Tamin’io fotoana io, hoy izy, tsy nitsahatra namerimberina izy tao anatin’ny toriteniny ny mba hanaterana ireo fananan’ireo mpino rehetra any aminy, mba ho dorana satria voaozona ireo, noho izany an’izao tontolo izao. Dia tena natoky ny rehetra satria dia toy ireny anjely latsaka an-tany ireny ny fiteniny, ary nampanantena ihany koa ary izy fa hisy fitahiana 12 kôntenera miandry izay mpino manao izany», hoy hatrany ity ramatoa mpitory ity.
Nivaky ny nafenina. Taty aoriana anefa dia vaky avokoa ireo mistery nokobonin’ity mpitondra fivavahana ity, hoy hatrany ity olona ity. Ary ny nahagaga, hoy izy, dia taorian’ilay izy voalaza fa nitsangan-ko velona fanindroany iny, tamin’ny herintaona lasa no nipoiran’ny rehetra. « Somary nisy fifamaliana tao amin’ny fianakavin’ity ramatoa ity, ary ny olona akaiky aza no niteny fa tsy nodorana ireo entana nalainy tamin’ireo mpivavaka fa namidiny na nozarainy tamin’ireo fianakaviany ny sasany. Efa niala tao amin’ilay fiangonana izahay, noho izay disadisa marobe izany vao tonga saina, ka nifampiresaka moramora taminy, ny tokony hamerenany ireo entana ireo. Kanjo vavabe no nomeny anay avy eo, ary izao izahay tapa-kevitra ny hitory azy izao». Raha ny an’ity ramatoa ity dia mitentina eo amin’ny 16 tapitrisa ny totalim-bidin’ireo entana nomena azy, tao anatin’izany ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano.
Resaka fisolokiana, araka izany, no hanenjehana ity mpitondra fivavahana ity. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy, ary izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao. Raha ny fantatra dia mety amin’ny talata ho avy izao no fotoam-pitsaràna ity ramatoa mpitondra fivavahana ity, etsy Anosy.
m.L