- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaty ho an’ny Tanindrazana : Notolorana mariboninahi-pirenena i Eric

Maty ho an’ny Tanindrazana : Notolorana mariboninahi-pirenena i Eric

Notontosaina omaly tetsy amin’ny toby miaramila RM1 Analakely ny lanonana ara-miaramila, fanaovam-beloma farany an’i Eric, ilay miaramila kilasy faharoa, maty ho an’ny Tanindrazana, tany Bongolava. Tamin’izany no nanoloran’ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotozafy Dominique, azy ny mariboninahi-pirenena “chevalier de l’ordre national”. Fantatra fa nampiakarina ho miaramila kilasy voalohany izy, taorian’izao nahalasana azy izao. Raha tsiahivina dia lavo teny an-tanim-piadiana, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo ny alahady maraina lasa teo, tany amin’ny kizon’i Kimavandry, kaominina Antanimietry, ny lehilahy, tao anatin’ny “Hetsika Fahalemana”. Tompon’omby iray ihany koa no matin’ireo dahalo tamin’io fotoana io, ary miaramila roa kosa no naratra. Raha ny mahakasika izay asan-dahalo izay dia fantatra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Tafika, fa  “hisy ny hetsika hanarahana ireo andian-jiolahy ireo hataon’ny miaramila manao hetsika « Fahalemana » mba handravana azy ireo sy hamerenana ireo omby very”.

Miaramila be herim-po, tsy nisalasala tamin’ny fandraisana sy fanatanterahana baiko ny 2°classe Eric. Ary tena mbola ao anatin’ny fahatanorany tokoa sady mbola mpitovo”, hoy ny fanambarana. Avy ao amin’ny Rezimanta voalohan’ny Faritany miaramila voalohany eto Antananarivo no nisy azy. Any Vohitromby, Vangaindrano kosa no misy ny tanindrazany, izay toerana hanaterana ny nofo mangatsiakany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici