- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Mpanampy nangalatra dia nilaza fa nisy nanafika

Tsimbazaza : Mpanampy nangalatra dia nilaza fa nisy nanafika

Omaly maraina dia nihanaka ny feo, fa nisy nanafika ny trano iray teny Tsimabazaza. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 etsy Mahamasina nizaha ny zava nisy. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana, tsy nisy mihitsy ilay nolazaina fa fanafihana sy fandrobana. Taorian’izany no nahafantarana, fa halatra nataon’ny mpanampy no nitranga tamin’io trano io, ary anisan’ny voarohirohy amin’izany ilay vehivavy sy ny vadiny. Ny vaovao hatrany no nahalalana, fa efa tamin’ny sabotsy no niseho ny halatra. Ireo mpanampy no nilaza fa nisy fandrobana tao roa andro taty aoriana.. Tamin’ny fotoana tsy naha tao an-trano ny tompony. Rehefa nojerena tokoa dia trano nikorontana no hita. Nanao ny asany ireo mpitandrofilaminana ka naka sy nanadihady ny vadin’ilay mpanampy izay nentina nofotorana tany amin’ny birao. Voalaza fa nahitana zavatra an’ny tompon’ny trano nampiasa an-dramatoa vadiny tany amin’ity lhilahy ity. Ho an’ny mpitandro filaminana, karazana fihetsiketsehana fotsiny ihany izao nanafenana ny halatra natao. Mitohy hatrany moa ny fanadihadiana.

Nangonin’ i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici