- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana-Imerintsiatosika : Tsena 19 sy trano fiompiana akoho kilan’ny afo

Namontana-Imerintsiatosika : Tsena 19 sy trano fiompiana akoho kilan’ny afo

Nisehoana hain-trano namotika zavatra maro teny amin’ny tsena’i Namontana omaly alina. Vokany trano fivarotana hatrany amin’ny 19 no kilan’ny afo, trano hazo avokoa. Ankoatra izany, fiara 4L iray sy Scooter iray ihany koa no potika tanteraka levon’ny afo. Ny vaovao voaray no nahalalana fa tokony ho tany amin’ny 1 ora sy 10 minitra maraina, ny alin’ny talata hifoha alarobia no nanomboka ny fahamaizana. Avy tao amina trano nikarakarana sakafo sy fivarotana, hoy ny loharanom-baovao. Vetivety foana dia nihanaka ny afo ary nanimba ireo rehetra manodidina. Tonga teny an-toerana ny “pompier” nanampy ary nanao izay ho afany namono ny afo ary voalaza fa tamin’ny 2 ora sy sasany maraina vao maty izany. Bebe ihany ny fahavoazana, hoy ireo traboina. Tsy nisy kosa anefa ny olona naratra na namoy ny ainy. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 nanao ny fanadihadiana mikasika ity hai-trano ity. Raha ny tombatombana dia heverina fa loza tsotra ihany no niseho teny an-toerana. Mitohy hatrany kosa anefa ny famotorana isan-karazany izay sahanin’ny avy ao amin’ny BC ahitana izay tena zavatra marina.

Imerintsiatosika. Fa ny alin’ny talata hifoha ny alarobia ihany, fahamaizana roa no nitranga teny amin’ny tananan’Imerintsiatosika. Ny iray tokony ho tany amin’ny 3 ora maraina tany ho any. Trano fiompiana akoho (poulet de chair), no kila tanteraka. Voalazan’ilay ramatoa tompony fa mahatratra hatrany amin’ny 8 tapitrisa na 9 tapitrisa ariary ny fatiantoka tamin’izany. Akoho efa saika halefa ho eny amin’ny tsena ireo kilan’ny afo ireo. Eo anoloan’izany, nametraka fitoriana any amin’ny zandary izy, (plainte contre X). Amoron-dalana no nisy ilay trano fiompiana, izany hoe fandalovan’ny olona. Tafo bozaka ilay izay ary takatry ny tanana ireo tafo ireo. Kila tanteraka izany, hoy ny vaovao azo teny an-toerana. Nisy mpiambina tao nefa tsy nahafantatra mihitsy ny firehetana. Notairina fotsiny io olona io vao afaka nanavo-tena fa raha tsy izany dia angamba ho may tao koa. Ny filazan’ny tompon’ity toeram-piompiana akoho ity no nahafantarana fa fanindroany izao no may ny trano fiompiany. Ny voalohany, nanana izany izy teny Antongona, amin’iny faritra iny ihany. May izy io tamin’ny taona 2014 ary potika tanteraka. Tamin’izay fotoana izay, tsy nanana ahiahy mihitsy ry zareo mikasika ny fahamaizana fa noheverina fa loza ho efa ho avy. Dia izao may izao indray ny tao Imerintsiatosika. Nitranga ny ahiahy ary lasa any amin’ny fiheverana fa niniana nodorana ny trano fiompiana. Izany no nahatonga azy nametraka fitoriana. Tsy io tranon’akoho io ihany anefa no may tany an-toerana fa nisy trano an’olon-tsotra koa kila ny alin’ny talata. Ity loza faharoa ity moa, torian’ny fijerena ifotony ny zava nisy dia tombanana fa fahamaizana tsotra na loza efa ho avy no nahatonga izany.

nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici