Nirefotra ny basy. Rangahy lehibe iray mananiky ny 70 taona no lavon’ny bala. Mpangalatra kisoa roalahy no nitifitra tamin’io fotoana io. Tranga niseho tao Soavinandriana Itasy, ny alin’ny talata teo.
Rehefa tapitry ny dahalo ny omby, ny kisoa indray angalarin-dry lematy. Roalahy mpangala-kisoa tao an-tampon-tananan’i Soavinandriana tao no nifanenjehana eran’ny tanana, ny alin’ny talata hifoha alarobia, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Araka ny fanazavana azo dia saika hisoko kisoan’olona tamina tokantrano iray, tao andrefan’ny hôpitaly izy ireto no henon’ny tompon-trano. Velona avy hatrany ny akoralava ary niroso tamin’ny fanenjehana ireo dahalon-kisoa ireto ireo vatan-dehilahy tao an-toerana. Mba isan’ny nanaraka ireto vatan-dehilahy hanenjika malaso ireto ihany ny raim-pianakaviana iray efa zokinjokiny ihany. Tsy naharaka ny dian’iretsy zatovolahy anefa ny lehilahy ka taraiky taty afara. Tamin’io fotoana io mihitsy anefa, no tsy lasa lavitra iretsy olon-dratsy fa somary nitampify tanaty haizina. Tsy nisy nanam-po ny fananan’ireto mpangala-kisoa ireto basy ihany koa tamin’io fotoana io. Ny feom-basy nirefotra no nanaitra ny rehetra hiverin-dalana. Indrisy anefa efa fatin’ity lahiantitra ity nitsitra, sy mihoson-drà no novantanin’ireo mpanenjika dahalo. Nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ity rangahy ity, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Nisy sasany tamin’ireo fokonolona kosa, nampian’ireo mpitandro filaminana no mbola nanohy ny fikarohana ireo olon-dratsy, saingy, toa nanjavona nafenin’ny haizina ireto olon-dratsy ireto. Raha ny fanazavana azo dia zanak’ity rangahy maty ity ny tompon’ireo kisoa saika nalain’ireo olon-dratsy, ka izay no antony nidinany an-tsehatra saika hisambotra ireto malaso ireto. Kanjo dia izao ny ainy izao no nanefa. Fantatra kosa araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, fa bala avy amina basy vita gasy no nampiasain’ireo jiolahy. Mbola mitohy ny fikarohana.
m.L