Notsaraina omaly ilay tovolahy vao eritrerony izay voampanga ho nietraketraka sy nanao herisetra tamin’ny mpamily fiara karetsaka iray. Nolavin-dranamana ny fanamelohana azy. Ny mpitory kosa tetsy an-kilany nanamafy ny fitoriana. Nanambara fa sady tsy nandoa ny saran’ny fandehanana ity tovolahy ity no mbola nanambana basy azy ihany koa. Raha tsiahivina dia ny alin’ny 14 novambra hifoha 15 novambra lasa teo rehefa handeha hody ity tovolahy iray, ity dia nanakana fiara karetsaka. Nony tonga tany amin’ny toerana nifanarahana anefa ny tovolahy dia tsy nanaiky nandoa ny sarany nifanarahana. Tamin’izany izy no namoaka basy poleta, mitovy amin’ny tena izy nefa kay sariny ihany. “Nipararetra sy raiki-tahotra mihitsy aho noho izany”, hoy ilay mpamily ny fiara. “Mangataka onitra aho sy mitazona ny fitoriako”, hoy ihany izy. Marihina fa faizin’ny lalàna ny mampihorohoro, ny mihetraketraka sy manao herisetra tahaka izao. Mitaky ny hampiharana ny sazy ny mpampanoa lalàna.
Narindra (Stagiaire)





