- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohinambo Talatamaty : Mpiasa an-trano nangalatra 28 tapitrisa dia nalevina tany an-tanimboly

Ambohinambo Talatamaty : Mpiasa an-trano nangalatra 28 tapitrisa dia nalevina tany an-tanimboly

Telo mianaka no voarohirohy tamina halatra niseho tao amin’ny olona nampiasa azy ireo teny Ambohinambo Talatamaty. Araka ny loharanom-baovao, vola hatrany amin’ny 28 tapitrisa Ia no nalain’izy ireo. Rehefa azony ny vola dia nalevin’izy ireo tany an-tanimboly teny Andranoro. Tratra ihany anefa ny nafenina.

Tamin’ny fiandohan’ny herinandro, nahare ny mponina manodidina fa hoe nisy mpanafika tonga tao amin’ny tokantrano iray teny Ambohinambo. Re tamin’izany fa hoe nisy bandy efatra nanao saron-tava sy vehivavy iray nandroba tao amin’ny trano eny an-toerana. Ireo mponina manodidina no niantso ny zandary teny an-toerana. Rehefa tonga ireo mpitandro filaminana dia nanao ny fanadihadiana. Voalaza fa nanamafy izany fandrobana izany ireo mpiasa an-trano, vehivavy lehibe iray sy ny zanany, izay mbola mitaiza kely. Tsy niditra avy hatrany tao amin’ilay trano ireo mpitandro filaminana fa niantso ny tompony. Taorian’izany, niditra nijery ny zava nisy ny rehetra. Tamin’izany no nahafantarana ny fahaverezan’ireo volabe ireo. Ny nahagaga ny rehetra dia ny vola ihany no tsy hita tao amin’ny fitoerany. Nisy vata sarihana anefa teo izay nametrahana ny firavaka volamena. Tsy nisy nanohinana ireo fa tao avokoa. Nanomboka mahana ny zandary ary nanontany tsara ireo mpanampy. Voalaza moa fa toa hoe torana mihitsy ilay ramatoa be teo anoloan’izany zavatra izany. Farany, tapaka ny hevitra fa hoentina hatao famotorana any amin’ny birao ireo mpanampy ireo. Sarotra ny fanadihadiana satria dia tsy nisy nilaza ny tena zavatra marina. Farany, hoy hatrany ny vaovao, nibaradaka ihany ilay vehivavy lehibe. Nanomboka teo, nazava ny zavatra niseho. Fomba nentina nangalarana ny vola no nilazana fa nisy fandrobana tao an-trano. Natoron’izy ireo avy eo ny toerana nasiany ny vola. Nalevina tany amin’ny tanimboly teny Andranoro, tao anaty boaty. Ilay zanany vavy no niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nisaina teo anatrehan’ny rehetra ireo vola ireo dia 22,8 tapitrisa Ia sisa hita tao. Nankaiza ny sasany ? Tamin’izany ihany koa no nahalalana fa nisy mpanampy iray, izay efa niala, tafiditra amin’ity halatra ity. Tetsy an-daniny, raha vao nahita ny mpiambina, izay vadin’ny iray amin’ireo voarohirohy, fa tonga ny mpitandro filamina dia tsy hita izay nalehany fa lasa nandositra.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona rehetra nanao ity halatra ity.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici