Karohin’ny mpitandro filamanana fatratra ny tovolahy iray eto Antsirabe amin’izao, tovolahy tsy dia salama saina loatra izy ity teo aloha noho ny fidorohana, saingy efa nahazo fitsaboana ary voalaza fa sitrana, nefa dia miverina manao ny hadalany indray.
Tsy fantatra intsony na mody adala ranamana amin’izao fotoana na efa tena lasa tokoa fa dia mamoehatra leo azy ny mpiara-monina, eny fa hatramin’ny fianakaviany, ka nametraka ny raharaha eo anivon’ny mpitandro filaminana mihitsy.
Tapitra amidin’ity lehilahy ity avokoa rehefa fananana mora bataina ao an-trano toy ny radio sy ny akanjon’ny anabaviny. Ankoatra izay dia nanaovany maloto koa tao anaty zinga fampiasa ao an-trano. Tsy ny ao an-tokatrano ihany no mahita faisana amin’ny adalan’ity tovolahy kely ity fa hatramin’ny mpiara-monina manodidina dia efa nisolokoiny avokoa. Maro ny mitaraina very biby fiompy eo amin’ny manodidina. Raha ny fantatra hatrany misy fotoana ity lehilahy ity no maraina vao miditra ny trano ary mitondra entana tsy fanta-piaviana ka manahy ny fianakaviana sao entana halatra ka isan’ny antony nametrahany ny havany ny raharaha eo amin’ny mpitandro filaminana.
Ny mahatonga saina ny fianakaviany dia izao, rehefa misy olona atahorany, na fantany fa ho avy ao an-trano dia mitsoaka izy, ary hatramin’izao dia tsy mbola hita ity lehilahy ity noho fahafantarany fa nitory azy ny havany.
Andry N.





